madagascar

Accueil
madagascar

Kaominina Morarano-Chrome : fatim-behivavy nihintsa-nofo

Traduction
Augmenter la taille de la police Diminuer la taille de la police print send to Comments
Lectures : 3347

 : Mercredi, 02 Juillet 2014 10:21 Nihorohoro ny mponina tao Ambohimanjaka sy ny manodidina amin’izao fotoana izao,

nohon’ny fahitana razana efa potika teo anelanelan’Antanimena sy Ambaiboho, ao amin’ny kaominina Morarano Chrome, ny 27 jona teo.Efa niseho daholo ny taolan-dohany ary niraraka nanodidina teo ny volony.Tsy nisy nofo intsony ny feny havanana sy ny fela-tongony ary efa potika tanteraka ny vatany. Notombanan’ny mpitsabo nitsirika azy ho efa maty herinandro ity razana hita ity. Tsy mbola afaka nilaza ny mety ho antony nahafaty azy kosa ny tompon’andraikitra. Voamarin’ny fokonolona nanatri-maso teo kosa, araka ny rovi-damba sisa teo, fa vehivavy avy ao amin’ny tanànan’Ambohimanjaka ihany ity hita faty tao andrefana kelin’Antanimena tamin’ny 27 jona ity.Fanolanana faobeMiahiahy ny hisiana herisetra ao ambadik’izao fahafatesana tsy voahazava izao ny fokonolona any an-toerana. Vao nisy tovovavy 16 taona mantsy niharana fanolanana faobe nataona lehilahy telo tao Ambohitanilava, kaominina Tanambe, ny 20 jona teo.Nirahin’ny ray aman-dreniny hiandry vary tany an-tanimbary izy io no nohararaotin’izy ireo. Notsaboina andro maromaro vao nahatsiaro tena ilay tovovavy izay nahatadidy ny endrik’ireo nanao an-keriny azy. Efa eo am-pelatànan’ny manam-pahefana ireo olon-dratsy ankehitriny. Nanaitra ny mponina amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ihany anefa ny fisian’izao tranga tsy fahita tany hatramin’izay izao.Miantso fiarovana sy fandraisana andraikitra bebe kokoa avy amin’ny mpitandro filaminana ankehitriny ny vahoaka any amin’ny faritra Alaotra-Mangoro.


Manou/Solo


Article publié le mercredi 2 juillet 2014
3347 lectures

Accès rapide

Infos par pays