madagascar

Accueil
madagascar

Rugby : hofantenana anio ny Makis ho any Kenya

Traduction
Augmenter la taille de la police Diminuer la taille de la police print send to Comments
Lectures : 1372

 : Mercredi, 30 Juillet 2014 10:20 Araka ny fandaharam-potoana ny federasiona malagasin’ny rugby, hotanterahina anio alarobia, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka,

ny fifantenana ireo mpilalaon’ny Makis handray anjara amin’ilay «tournoi international de Kenya». Fihaonana, ho an’ny sokajy «sénior», eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7. Raha ny fandaharam-potoana, handray anjara amin’io fifantenana io ireo ekipa miatrika ny «Top 14», eto Analamanga. Ankoatra azy ireo, hisy ihany koa ekipa efatra izay misy mpilalao mifangaro, izany hoe, ekipa voafantina izany izy ireo. Hozaraina sokajy izy ireo, ka hifandimby hihaona, ary avy eo, hisy ny lalao manasa-dalana sy famaranana. Ho henjana, araka izany ny fifantenana satria izay tena mendrika no ho ao anatin’ny ekipa Makis ho any Kenya. Ankoatra izay, hanomboka amin’ny asabotsy ho avy izao ilay fifaninanana “inter arrondissement”, ho an’ny sokajy zandriny U-21. Araka ny fantatra, ireo boriborintany enina miampy ny ekipan’Avaradrano sy Atsimondrano no hiatrika izany. Marihina fa handrafetana ny ekipan’ny Makis, sokajy “senior”, eo amin’ny rugby à XV, io fihaonana io.


Miary Narindra


Article publié le mercredi 30 juillet 2014
1372 lectures

Accès rapide

Infos par pays