madagascar

Accueil
madagascar

Taranak’Andriamasinavalona : hihetsika ny sampana vehivavy

Traduction
Augmenter la taille de la police Diminuer la taille de la police print send to Comments
Lectures : 1401

 : Mercredi, 28 Mai 2014 10:00 Hikarakara famelabelarana harahin’adihevitra eny Andoharanofotsy ny sampana vehivavy ao amin’ny fikambanan’ny taranak’Andriamasinavalona,

ny alakamisy ho avy izao. Ny hasin’Andriana sy ny maha-olona no lohahevitra haroso ho an 'ny olon-drehetra tsy ankanavaka liana ny amin'izany, mandritra io andro io. Nasaina hitarika ny famelabelarana moa ny filohan'ny komity mpikarakara ny soatoavina sy ny kolontsaina eto Imerina enin-toko, Randrianatoandro Andriamahary. "Mihavery sy mihalevona ny kolontsaina Malagasy, ankehitriny,  ka harenina sy hampahatsiahivina ny samy Malagasy", araka ny fanazavan'ny komity mpikarakara Jeanine Razafintsalama sy Baovola Andriamahazomanana. Fotoana hifankahitan'ny mpandala sy mpiaro ny haren-tsaina Malagasy ihany koa ity homanin’ny vehivavy ao amin’ny taranak’Andriamasinavalona ity, hoy izy ireo ka tsy hidirana resaka politika     mihitsy, hitandroana ny fiombonan’ny samy malagasy.


Manou


Article publié le mercredi 28 mai 2014
1401 lectures

Accès rapide

Infos par pays